4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy foiko - TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Sambatra aho ry Tompoko

Manana Anao mpanavotro

Tsy hohadinoiko izay vitanao

Raiso ny foko honenanao

'Reo fahotàna nahazatra ahy teo

Indro ry Tompo hafoiko hatreo

Fa nanantena hiadana am-po

Nefa izy ireny tsy nahasoa



N'iza ho sahy hampientana ny fo

Hisarika ahy hankamamy ny taloha

Izay tsara ivelany saingy tsy erany

Tsy azo antoka ny faharetany

Na mafy aza ny zioga anjarako

Na voninahitra, laza, harena koa

Tsy hamoizako Anao sy tsy hatakaloko

Ny halehiben'ny fahasoavanao Jesoa

Partager tsy foiko

Commenter tsy foiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TANORA FANANTENANA ATSIMON'IMAHAMASINA

Suite